← Documents

Discours d'accueil du DG du Ministère chargé de la Refondation, en malgache (2 pages A4).

Télécharger le PDF
Logo ZIVA

Fikambanana ZIVA · Zina sy Vanona

FANDRAISANA DG MCR-ZIVA

QG ZIVA, Ambondrona 9 Oktobra 2026

Andriamatoa TALE JENERALY,

Manan-kaja, Manan-kasina

Amin'ny anaran'ny Birao sy ny Mpikambana Rehetra ato amin'ny Fikambanana ZIVA - ZINA sy VANONA ; dia feno hafaliana sy manana voninahitra lehibe izahay mandray anao eto anivonay androany.

Misaotra sy mankasitraka indrindra Tompoko tamin'ny fotoana sarobidy natokanao ho anay ; na dia fantatray aza fa maro ny adidy miandry anao.

Atoa Tale jeneraly ;

Ny ZIVA dia Fikambanana Tanora ; natsangana tamin'ny finiavana tokana : Hitondra ZINA ho an'ny ankizy sy ny tanora mba hahatonga izany ho VANONA ho an'ny fianakaviana sy ny Firenena.

Ny anton'ny fihaonantsika anio dia telo Tompoko :

- Voalohany, ny fampahafantarana anao amin'ny fomba ofisialy ny fikambanana ZIVA ; ny vina sy ny soatoavina entinay.

- Faharoa ; ny famelabelarana anao ny tetik'asa izay efa vonona sy ny soatoavina entinay.

- ary Fahatelo ; izay tena manan-danja indrindra dia ny fangatahana fanohanana avy aminao Tompoko.

Mangataka amin-kitsimpo izahay, Atoa TALE JENERALY ; mba ho mpitarika sy mpiahy anay ianao. Ilainay ny fanohananao ara-teknika sy ara-moraly ; ary indrindra ny fitondranao sy fiarovanao ny tetikasan'ny ZIVA any amin'ny ambaratonga mahefa ; mba hahazoany vahana sy ho eken'ny rehetra.

Hinoanay TOMPOKO fa amin'ny alalan'ny tananao sy ny fitarihanao, dia ho lasa tetik'asa lehibe sy maharitra ho an'ny firenena ny nofinofin'ny ZIVA.

Tsy halavako ny teny Tompoko ; indray ary tongasoa eto anivon'ny ZIVA.

Misaotra indrindra Tompoko

Fikambanana ZIVA — Zina sy Vanona · QG ZIVA, Ambondrona 1 / 2

Fandraisana DG MCR-ZIVA

Logo ZIVA

Ankehitriny ; raha sitrakao ; dia faly izahay manolotra anao ny famelabelarana fohy momba ny tetikasanay.

Manoloana ny olan'ny rano fisotro madio izay olana goavana eto Madagasikara ; indrindra any ambanivohitra, dia nanapa-kevitra ny ZIVA fa hitondra ny anjara biriky ny hanampiana ny fanjakana izay ivon'ny tolona sy ady natao tamin'ny fitakiana.

Ny tetikasanay dia Fananganana FORAGE-MADIO ho an'ny marefo.

Noho izany Tompoko ; dia mangataka aminao izahay

  1. ny fanohanana ara-moraly sy teknika avy aminareo
  2. ny fitondrana sy ny fiarovana ity tetikasa ity any amin'ny ambaratonga mahefa ; mba hahazoany alalana sy famatsiam-bola
  3. ny fiaraha-miasa maharitra amin'ny FIKAMBANANA ZIVA

Manantena ny valin-teninao miabo izahay Tompoko

Misaotra Tompoko