Fikambanana ZIVA · Zina sy Vanona
FAMELABELARANA NY TETIKASA
QG ZIVA, Ambondrona
Oktobra 2026
Anaran'ny tetikasa
ZIVA RANO — FORAGE HO AN'NY VAHOAKA
I. Zava-misy
Eto Madagasikara, an-tapitrisany ny mponina mbola tsy misitraka rano fisotro madio. Miteraka aretina sy fahantrana izany.
II. Tanjona
- Hanampy ny Fanjakana hamaly ny hetahetan'ny vahoaka
- Hanorina forage 1 isaky ny fokontany voakasika amin'ny dingana voalohany
- Hampihena ny aretina azo avy amin'ny rano maloto
III. Iza no hisitraka
Ny mponina eny ambanivohitra sy ny sekoly ambanivohitra.
IV. Inona no ilan'ny ZIVA
- Alalana sy fanohanana ofisialy avy amin'ny Direction Générale
- Fampahafantarana ny tetikasa any amin'ny Ministeran'ny Rano sy ny mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena
- Torolalana ara-teknika
V. Fanolorana avy amin'ny ZIVA
- Vonona ny ZIVA hanentana ny vahoaka sy hitaiza
- Vonona hiandraikitra ny fikojakojana miaraka amin'ny vahoaka
- Mangarahara tanteraka amin'ny fitantanana